Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analamahitsy: tratra ireo mpangalatra vy fametahana doka varotra

Analamahitsy: tratra ireo mpangalatra vy fametahana doka varotra

Ireo andry vy mitondra ny takelaby fasiana doka varotra indray no robain’ny jiolahy. Roa lahy mpanao izany asa ratsy izany no tratran’ny polisy teny Analamahitsy, ny alahady alina teo. Efa natolotra ny fitsarana izy ireo ary nidoboka am-ponja.

Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra andry vy fitoerana takelaby fametahana doka varotra ireny. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8), ny alahady alina teo no tratra izy roa lahy, nandritra ny fisafoana isak’alina fanaon’ireo polisy eny Analamahitsy sy ny manodidina. Nandritra ny fanatanterahan’izy ireo ny fisafoana no nahitana ireo jiolahy roa nilanja andry vy fametahana takelaka doka varotra eny amin’ny faritra Analamahitsy iny. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy roa lahy ireto ka tamin’izany no nahafantarana fa avy nangalatra ireo andrim-by ireo ry zalahy, tamin’io alina io. Niaiky izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy fa naka ireo vy tokoa no nivoahan’izy ireo, tamin’io alina io ary efa maro ireo vy azon’izy ireo teny Analamahitsy. Mbola hita teny amin’izy ireo rahateo koa ireo fitaovana toy ny “scie à métaux” nampiasaina nanapahana ilay andry vy. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo ka natolotra ny fitsarana, taorian’ny famotorana. Tsy vao izao no nahitana jiolahy mpangalatra ireny andry vy fitoerana takelaby fametahana doka varotra ireny fa maro ireo efa lasibatra ka mampitaraina ireo mpandraharaha misehatra amin’izany. Nanamafy rahateo ny polisy fa misy hatrany ny fanenjehana sy fanaraha-maso ireo jiolahy manao ireny asa ratsy ireny.

J.C

Les commentaires sont fermées.