Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Toe-javatra mampisahotaka… »

« Toe-javatra mampisahotaka… »

 

Izay angamba vao tena hiaiky ny fahamarinan’izay voalaza, eo amin’ny And. voalohany, ao amin’ireo didim-panjakana inefatra miantoana, milaza ny fametrahana ny « Fahamehana ara-pahasalamana », eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy, ity tokoa ny rehetra ; « Toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka ». Tsy azo lavina fa tena nampisahotaka, mampisahotaka, ary mbola hampisahotaka ny fiainam-bahoaka tokoa ity fihanaky ny valanaretina Coronavirus ity, tao anatin’izay roa volana sy tapany mahery izay.

Tsy ilay valanaretina ihany izao no mihombo, na koa ny isan’ireo marary, izay efa tafakatra 310, araka ny tarehimarika farany, navoakan’ny Foibem-pibaikoana ny ady amin’ny Coronavirus (CCO), omaly. Miakatra ary mihombo manaraka izay koa ny tebitebin-tsaina, indrindra taorian’ny fahafantarana ny fodiamandrin’ilay rangahy, isan’ireo narary tratran’ilay valanaretina manahirana na sarotra (forme grave), tany Toamasina, omaly. Manamarina iry voalaza etsy ambony izany fa tena « toe-javatra mampisahotaka ny fiainam-bahoaka » tokoa raha ity valanaretina Coronavirus ity.

Misahotaka avokoa ny rehetra. Nampisahotaka, ohatra, ny famerana ny fivezivezena sy ny fifamoivoizana, ny famerana ny ora fiasana sy ny fahazoana manao fihariana, ny varotra, ny fampiasana sarom-bava, ny fizarana ilay fanampiana “Tosika fameno” sy ny fizarana ilay vola iray hetsy ariary, ny fanakatonana ny sekoly sy ny fampiatoana ny fampianarana, ny fanakatonana na ny famerana ny isan’ny mpivavaka any am-piangonana, ny valin’ny fitiliana…

Na ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny fibaikoana sy ny fitantanana ny fihanak’izao valanaretina Covid-19 izao koa aza, tratran’io… fisahotahana io. Niarahan’ny rehetra nahita sy niaina, ohatra, ny fisian’ny fanapahan-kevitra toa mifanohitra na mifanipaka be ihany indraindray ka mahatonga adihevitra sy resabe. Ny an’ny mpanao politika moa, tsy lazaina intsony. Hikoha-maina aza atao, mainka fa misy… Coronavirus hanilahana.

Sahotaka, savorovoro… Izao ny tena ilàna ny fitonian-tsaina eo amin’ny tsirairay, manomboka any amin’ny mpitondra sy ireo manampahefana hatrany amin’ny vahoaka eny ifotony, raha te hiandrandra fandresena amin’izao «ady amin’ny fahavalo tsy hita maso » izao.

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.