Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo – TIVA: tokony ho natao ny avrily teo

Taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, tokony ho natao ny volana avrily, tsy tontosa ihany koa ny Tiva (Tournoi international de la ville d’Antananarivo), andiany faharoa, izay amin’ity volana mey ity ny nikasana hanatanterahana izany. Iaraha-mahalala, mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika eto Madagasikara, haharitra hatramin’ny faran’ny volana. Ankoatra izay, amin’ny maha fifaninanana iraisam-pirenena azy, tsy afaka miditra aty, hatreto, ireo firenena hafa tokony handray anjara, ahitana ireo atsy Nosy rahavavy, toa an’i La Réunion, i Maorisy, i Kaomoro, i Mayotte sy i Seychelles, izay samy mbola ao anatin’ny ady atrehina amin’ity tsimokaretina Coronavirus ity avokoa. Tsiahivina fa tena fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ity Tiva ity, izay ny ligin’Analamanga ny nikarakara azy. Tonga maro ireo vahiny nandray anjara tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano tamin’izay, ary nifampizaran’ny judokas malagasy sy reonioney ny fandrombahana ny anaram-boninahitra tamin’izany. Betsaka ny efa nanoman-tena hiatrika izany ireo judokas malagasy tamin’ity, ary efa nivonona ny hanao izay faraheriny, tsy hamoahana ny medaly volamena eto an-toerana, saingy indrisy fa izao nosomparan’ny tsimok’aretina Coronavirus izao. Hotaterina eto hatrany ny vaovao sy ny fandaharam-potoana rehetra rehefa miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha eo anivon’ny fanatanjahatena.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.