Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fenoarivo Ambatosola: dahalo raindahiny maty voatifitra

Henjana ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny dahalo nandritra ny fifanenjehana. Maty voatifitra, ny asabotsy teo taorian’ny fifampitifirana, ny dahalo raindahiny antsoina hoe i Loto. Raha ny tatitra nampitain’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dahalo raindahiny mihitsy ity Loto ity ary tompon’antoka tamina halatr’omby tao Fenoarivo Ambatosola, distrikan’i Bekily, izy niaraka amin’ireo namany mpiray tsikombakomba aminy. Tratra ny iray amin’ireo namany ireo ary efa naiditra am-ponja fa i Loto kosa, isan’ireo afaka nitsoaka, raha ny fanazavan’ny zandary hatrany. Niroso tamin’ny fikarohana azy ny zandary ka raikitra ny fifanenjehana ny asabotsy teo ary mbola nitsoaka ihany izy tamin’io fotoana io. Nambaran’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa nieren-doza tamin’ny tifitra nataon’ity jiolahy ity ny ben’ny Tanànan’Ambatosola raha nitifitra ny zandary ka nahavoa ity dahalo ikoizana ity. Vokany, maty tsy tra-drano i Loto raha azo sambo-belona kosa ny ombiasy iray izay mpiara-dia aminy. Mitohy ny fikarohana ireo namany ary hatolotra ny fitsarana kosa ity ombiasy tratra ity. Naneho fankasitrahana ireo fokonolona niaraka amin’ny ben’ny Tanàna noho ny fiaraha-mientana ny zandarimaria amin’ny nahazoana izao vokatra izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.