Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Air Madagascar: Eoropeanina 57 nampodiana atsy La Réunion

Air Madagascar: Eoropeanina 57 nampodiana atsy La Réunion

Nanao sidina manokana ny kaompania Air Madagascar, omaly zoma 15 mey. Miisa 57 ny teratany frantsay sy eoropeanina, niainga teto Antananarivo ary nankatsy La Réunion. Avy ao indray izy ireo vao horaisin’ny kaompania hafa, hitondra mody any amin’ny firenena niaviany avy any Eoropa.

Niainga tamin’ny 9 ora maraina ary tonga tatsy La Réunion tamin’ny 12 ora sy 10 mn. Tanteraka izao vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny tompon’andraikitra malagasy sy ny masoivoho frantsay.

Tsiahivina fa mikatona tanteraka ny zotra rehetra mampifandray an’i Madagasikara sy any ivelany.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.