Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tolo-kevitry ny Crem: tokony hatsangana ny « Banky an’ny fanjakana »

Tolo-kevitry ny Crem: tokony hatsangana ny « Banky an’ny fanjakana »

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina adihevitra tao amin’ny Antenimierandoholona  ireo mpahay toekarena, solontenan’ny Crem*, ny 13 mey 2020. Niompana indrindra tamin’ny fampahafantarana ireo paikady hanarenana ny toekarena eto Madagasikara aorian’izao krizy ara-pahasalamana izao izany.

Nambaran’ny ao amin’ny Crem fa misedra olana lehibe ireo sehatra manara-dalàna (formels)  amin’izao krizy ara-pahasalamana izao, nefa fototry ny fampandrosoana sy ny famokarana izy ireo ka tokony hojeren’ny fanjakana akaiky. Tokony hotsinjovina manokana koa ireo sehatra tsy miankina tsy ara-dalàna (informels), efa mananika ny 70 % ny Malagasy misehatra anatin’io. Atao izay hirosoan’izy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna amin’ny alàlan’ny fampihenana ny tahan’ny haba takina. Hitombo ny vola miditra amin’ny fanjakana, mitarika any amin’ny fampandrosoana.

Nohamafisin’izy ireo ny tokony hananganana « Banky an’ny fanjakana » na koa « Banky ho an’ny fampandrosoana”, hisahana ireo fotodrafitrasa lehibe ka atao ambany ny tahan’ny zanabola alaina, sy tokony hojerena koa ny lalàna mifehy ny banky. « Mba hampihena ny tahan’ny fahantrana eto amin’ny firenena ny tokony hampitomboina ny famokarana, hampitombo ihany koa ny tahan’ny fanjifana ka hampiakatra ny vola miditra amin’ny fanjakana », hoy ny profesora Rakoto David Olive Niaina, mpikambana ao amin’ny Crem.

Nanome fanazavana mahakasika ny fandraharahana solika izy ireo: ny hahafahana mampitombo ny tahiry, ny famerenana ny toby fanadiovan-tsolika (raffinerie), ny fifampiraharahana mivantana amin’ireo mpamokatra fa tsy amin’ireo mpanelanelana intsony ary indrindra, ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra mahakasika ny vidy sy ny kalitao.

R.Mathieu

 

Crem* : Cercle de réflexion des économistes de Madagascar

 

Les commentaires sont fermées.