Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo Renivohitra: ho hentitra ny CUA, giazana ny sarety mivezivezy tsy ara-dalàna

Antananarivo Renivohitra: ho hentitra ny CUA, giazana ny sarety mivezivezy tsy ara-dalàna

Manavesatra ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny fivezivezen’ny sarety tsy misy fetrany. Araka izany, nampiharin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny “Opération sarety”. Nanomboka, ny herinandro lasa teo, ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ny sarety, indrindra ny entin-tanana tarihin’ny olona. Natomboka teny amin’ny manodidina an’i Soarano ny hetsika, notohizana teny Behoririka sy teny Antanimena.

Araka ny didy navoakan’ny prefektiora, laharana 061 ny taona 2019, afaka mivezivezy ny sarety alohan’ny amin’ny 7 ora maraina,  amin’ny 10 ora hatramin’ny 12 ora ary amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora.

Nilaza ny kaomisera Bemanana Vigor, talen’ny Fitaterana an-tanàn-dehibe ao amin’ny CUA, fa giazana ampidirina am-bala (mise en fourrière) avokoa ny sarety rehetra tratra mivezivezy tsy tafiditra ao anatin’ireo fotoana voalaza ireo. Maro ireo sarety efa tratra ary mbola mitohy ny hetsika.

Natao hampihenana ny vesatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana sady ampiharana ny lalàna izao fepetra noraisina izao. Araka izany, giazana ampidirina am-bala koa ny fiara mijanona amin’ny toerana voarara rehetra, toy ny milahatra an-dalana roa na amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Miara-manatanteraka ny asa ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.

Njaka

Les commentaires sont fermées.