Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miisa 3 772 ireo vita fitiliana: tsy nisy ny tranga vaovao, iray sitrana tamin’ny coronavirus

« Tsy nisy tranga vaovao », hoy ny tatitry ny eo anivon’ny CCO Ivato, omaly. Efa  3 772 izao ireo vita fitiliana. Mijanona ho 151 ireo voatily ka nahitana covid-19, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.  Anisan’ny nampitombo azy ny tranga roa nambaran’ny filoham-pirenena, afakomaly. Na izany aza, nisy iray sitrana ka niakatra ho 99  ireo afaka. Etsy an-daniny, miisa 51 ireo mbola manaraka fitsaboana sy arahi-maso. «  50% ny tahan’ny fahasitranana raha miainga amin’ny antontanisa. Tsy misy ny tranga atahorana ny ain-dehibe na mila fameloman’aina », hoy ihany ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta. Notsiahiviny fa hidinana any an-tanàna rehetra any ireo nifanerasera akaiky amin’ireo mitondra ny covid-19. Eo ny iray trano, ny mpiray asa na sekoly, ny fiarakodia nandehanana… « Tsy maintsy tiliana izy ireny… Tahaka izany koa ireo ahina ho manana soritr‘aretina amin’ny fanaviana sy mikohaka na mirotsaka lelo », hoy ihany izy. Nanentana ny rehetra ny CCO  taorian’ilay antontanisa niakatra hatrany amin’ny 14, ny herinandro teo.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.