
Mitana anjara andraikitra goavana ny « psychologue » na ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fanohanana ara-tsaina ireo marefo amin’izao vanim-potoan’ny valan’aretina coronavirus izao.
Anisan’ny andraikitr’ireo psychologue ny mampitony ny tahotra sy ny ahiahin’ny marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny fianakavian’ny marary eny amin’ ny hopitaly, hoy ny filohan’ny holafitry ny psychologuee, Andrianilaina Koloina.
Zava-baovao amin’izao tontolo izao indrindra ho antsika eto Madagasikara ity aretina coronavirus ity ka rariny loatra raha misy ny tahotra sy fitaintainana ho an’ny rehetra.
Ho an’ny marary, miorohoro sao ho faty satria tsy mbola tena fantatra mazava ny fanafody mahasitrana, lavitry ny fianakaviana mandritra ny fotoana maharitra… Miteraka rarain-tsaina sy fikorontanana eo amin’ny marary izany rehetra izany ka karakaraina manokana ny fandraisana an-tanana azy ireny hampitony ny sainy.
Anisan’ny omena tohana ara-tsaina betsaka ihany koa ny mpiasan’ny fahasa- lamana. Miha mitombo ny marary tonga eo aminy ary misy ny tsindry ara-tsaina mahazo matetika. Mavesatra ho azy ireo izany ka mety hisy fiantraikany amin’ny fandraisany marary ka izay no ilana fanohana manokana ireny mpiasan’ny fa- hasalamana ireny (dokotera, paramédicaux…).
Eo koa ny fianakavian’ny marary izay miara miaritra amin’ireo havany efa tsy salama. Matahotra sao dia nifindran’ny aretina, ho faty sa ho velona ny havan-tiana tratran’ilay coronavirus, inona hatao ? Ao an-tsain’ny fianakaviana avokoa izany ka miezana manampy azy ireny ihany koa ireo psychologue hilamin-tsaina sy ho tony manoloana ny fiatrehana izany rehetra izany.
Nanomboka tamin’ny 23 marsa, 5 ireo psychologue nivezivezy teny amin’ny hopitaly sy tamin’ireo efitrano fandraisam- bahiny nandraisana ireo avy any ivelany nitoka-monina. Amin’izao fotoana, psychologue roa miasa eny amin’ny hopitaly Anosiala ary roa eny Andohatapenaka. Psychologue 7 kosa miasa mandray ny antson’ireo mpiasan’ny fahasalamana mila tohana sy ireo marary. 31 ireo psychologue manerana ny Nosy.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.