Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitrandrahana varahina: nanakatom-baravarana ny Glencore any Zambia

Fitrandrahana varahina: nanakatom-baravarana ny Glencore any Zambia

Noho ny Coronavirus ihany, nandray fanapahan-kevitra tsy hiasa mandritra ny telo volana, nanomboka ny 8 avrily teo, ny Glencore, orinasa goavana soisa mpitrandraka varahina any Zambia. Miantraika amin’nympiasa 11 000 izany fanapahan-kevitra izany, ary voalaza fa izay mpikambana anaty sendika ihany no mandray karama feno.
Niray feo ny sendikalista sy ny governemant azambianina tsy faly amin’izao ataon’ny Glencore izao. Nilazany minisitry ny Harena an-kibon’ny tany any an-toerana fa araraotina ny Coronavirus hanalana mpiasa betsaka. Ny Glencore kosa namaly fa tsy mihodina mihitsy noho ny fahatapahan’ny famatsiana.
Tsy ny mpiasa ihany no voamafy fa nyfanjakana koa, izay miankina amin’ny varahina ny 75 % ny vola miditra aminy avy any ivelany. Tsy vao sambany izao ny olana eo amin’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy ny fanjakana izao fa efa hatramin’ny taona 2019.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.