Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanelezana vaovao tsy marina momba ny Covid-19: voasambotra ilay vehivavy nanaparitaka horonampeo tamin’ny facebook

Fanelezana vaovao tsy marina momba ny Covid-19: voasambotra ilay vehivavy nanaparitaka  horonampeo tamin’ny facebook

Voasambotra ny talata teo tany amin’ny toeram-piasany ary notanana am-ponja eny Antanimora ilay tovovavy nanaparitaka horonampeo tamin’ny facebook izay milaza vaovao  tsy marina momba ny covid-19.

Ny talata teo tany am-piasana no voasambotry ny sampanasa miady amin’ny heloka an’habaka (service de lutte contre cybercriminalité) ilay tovovavy nanely vaovao tsy marina momba ny Covid-19. Izy izay voatonona ho atidoha nikotrika ilay horonampeo naparitaka tamin’ny tamba­jotran-tserasera facebook. Taorian’ny fam­- panoavana afakomaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora io tovovavy io. Nambaran’ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao fa vaovao avy tamina olon-tsotra, ny mpiara-miasa aminy sy ny tompon’andrikitry ny serasera no nahatra­rana io tovovavy. Araka izany, fanaparihana vaovao tsy marina mety hitarika fanakorontanana ny filaminam-bahoaka no vesatra anenjehana an’ilay tovovavy. Manoloana izany, mbola misy anefa ny milaza fa tsy voasambotra ravehivavy ary tsy any am-ponja. Nohamafisin’ny loha­ranom-baovao fa misokatra ny fa­- na­dihadiana mahakasika izany. Ary efa misy ihany koa hoy izy ny olona ahiana nanao izany.
Mpanentana fandaharana

Nisy ny horonampeo izay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny 20 marsa teo izay milaza fa eto Madagasikaara ny coronavirus. Nolazain’io tovovavy mpa­nentana fandaharana amina fahitalavitra tsy miankina io tamin’izany fa efa misy 200 ireo voan’ny valanaretina Covid-19 eto Antananarivo. Ary 70 kosa ny voa any Toa­masina. Nambarany fa efa nisy maty ireo lazainy fa marary tamin’izany. Nambarany tamin’ilay horonampeo koa fa mahazo fandrahonana ny mpanao gazety ka tsy afaka mamoaka izany vaovao izany. Tsy mitombina avokoa, hoy ny zandary, ireo vaovao naparitaka. Taorian’izay, nisy ny fanazavana noentin’ny minisitry ny Serasera mahakasika io tranga sy fanelezana vaovao tsy marina io. Nohazavainy tamin’ izany fa karohina ilay tovovavy nanao ny horonampeo. Nisy araka izany ny fano­mezana valisoa mitentina 5 tapitrisa Ar ho an’izay mahafantatra azy.

Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.