Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Am-boalohany ihany…

Am-boalohany ihany…

Mby aiza ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Conoravirus amin’ izao ? Mitohy ny fitiliana, fanaraha-maso, fitsaboana… Efa misy ny sitrana. Miara-dalana amin’izany, mitohy ny fihobihana na tsy fivoa­hana ny trano araka izay azo atao. Tokony ho mafimafy sy matomatotra kokoa aza izany. Nahoana ?
Efa miseholany eny ifotony any anivon’ny faritra na fokontany sasany any ny olona mitondra ny otrikaretina, saika vokatry ny fifam­pikasohana ny ankamaroany amin’ izao. Zava-doza raha tsy voafehy tanteraka. Mby aiza anefa ny ezaka amin’izany ? Fahatsiarovan-tena, fanarahana fepetra, fitandremana, firaisankina…
Raha izay hita sy iainana amin’ izao tapa-bolana faharoa izao, mam­panahy sy tsy hita be ihany : miron­gatra, ohatra, ny mpivarotra amo­ron-dalana ; eny, na izay miva­ro­tra entana tsy ilaina andavanandro aza. Misy ny toeram-pisakafoana na fisotroana mivoha, mitohana ny fifamoivoizana amin’ny faritra sa­sany.
Inona na ahoana koa ? Tsy inona fa any amin’ny ho fahombiazan’izao ady amin’ny fihanaky ny valana­retina izao na tsia, mampanontany tena. Miandry inona hitranga vao hahatsiaro tena sy saina ny sasany ? Ekena ny fahasahiranana, ny fita­diavana, ny fivelomana… Mahafoana ny fepetra tokony harahina ve iza­ny ?
Eo, ohatra, ny fanajana ny ela­nelana iray metatra eo amin’ny samy olona, ny fitondrana saron-tava rehefa mivoaka ny trano, ny tsy fandrorana etsy sy eroa… Mbola mi­sy tsy mahalala ? Na tsy te hahalala, na tsy mivaky loha… Nefa ny rehetra manodidina no voa noho ny tsy fitan­dreman’ny olona iray, roa, telo…
Mampalahelo, tsy mbola mahafa-bela amin’ny fanovana na fanaovana zavatra eto amintsika ny am-boa­lohany ihany : mahery vaika, toa ha­ha­vita inona iny… Rehefa avy eo, miverina tsy tsarotsaroana sy tsimo­ramora amin’ny fanao teo aloha ihany. Izay no anisan’ny mahasa­rotra ny fampandrosoana hatramin’ izay ?
Otrikaretina na areti-mitaiza mila iadiana sy tsaboina koa izay ? Eny, na amin’izao fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina Conoravirus izany ihany aloha…

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.