Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teny amin’ny IPM: narahi-maso ny fihofanan’ireo « biologistes »

Teny amin’ny IPM: narahi-maso ny fihofanan’ireo « biologistes »

Nijery sy nanadihady ny fomba fiasa eo anivon’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) omaly ny minisitry ny fahasala­mam-bahoaka Ahmad Ahmad. Nanaraka ny fivoaran’ny fiofanan’ ireo « biologistes » malagasy ao amin’ny « laboratoire de viro­logie » ihany koa ny tenany nandritra ny fandalovany teny.
Hiasa avy hatrany any amin’ny faritra ireo “biologistes” ireo rehefa nahavita ny fiofanana sy fampiharana tao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar. Ireo tanora avy any Mahajanga sy Fianarantsoa no manaraka ny fiofanana ankehitriny. Rehefa mifarana ny azy ireo, hiofana ao ihany koa ireo “biologistes” avy eto Antananarivo hanovo traikefa.
Manao ny ainy tsy ho zavatra ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanomezana fihofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana satria izy ireo no loha laharana amin’izao fiatrehana ny valan’aretina coronavirus izao, hoy ny minisitra Ahmad Ahmad.
Hisy ihany koa ny fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mikely soroka amin’izao ady ara-pahasalamana atrehin’ny firenena izao.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.