Oram-baratra nivatratra no niainan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ny alin’ny talata teo. Betsaka indray ireo toerana dibo-drano tampoka tao anatin’ny fotoana fohy vokatr’izany oram-be izany. Sahirana ireo tsy maintsy nivoaka ny trano, mandeha an-tongotra ny maraina.Tsy maintsy nirobo-drano, ho an’ireo mponina teny amin’ny faritra iva toy ny teny 67 ha rehetra iny sy ny teny Antohomadinika, Isotry… Tsy misy taxibe andehanana rahateo ka tsy maintsy nanala kiraro niroboka tanaty rano maloto. Tsy maintsy toy izay ihany koa no niainana noho ny hariva rehefa namonjy fodiana satria niandrona ny rano ary tsy mbola ritra.
Nanomboka omaly ny fampianarana ho an’ny ankizy sy ny tanora mandeha amin’ny RNM sy ny TVM. Araka ny fandaharam-potoana, amin’ny 8ora sy sasany ny fampianarana ho an’ny CP1 ao amin’ny RNM ary amin’ny 9 ora sy sasany ny fampianarana ho an’ny CP2. “Kilasy pour tous” kosa ny fan- daharana mandeha amin’ny TVM isaky ny amin’ny 9 ora maraina ary misy ny famerenana izany amin’ny 3 ora hariva. Natao hahaliana ny ankizy madinika ity “kilasy pour tous” ity satria sady misy fialamboly.
Les commentaires sont fermées.