Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid-19: mahatratra 83 471 no maty maneran-tany

Covid-19: mahatratra 83 471 no maty maneran-tany

Mitombo hatrany ny isan’ireo matin’ilay tsimokaretina Coronavirus manerana an’izao tontolo izao. Raha ny antontan’isa voaray omaly, efa mahatratra hatramin’ny 83 471 no nindaosin’ny fahafatesana ka any Italia no betsaka indrindra, izay mahatratra 17 127 no namoy ny ainy. Espana no manaraka azy, ary Etazonia no fahatelo, nahitana olona maty hatramin’ny 12 905. Mahakasika izay hatrany, ny amerikanina no ahitana tranga maro indrindra. Efa miisa 401 636 no mitondra ilay otrikaretina ka ny 22 476 no sitrana. Manaraka azy i Espana, ahitana tranga miisa 146 650, ka ny 48 021 no sitrana. Laharana fahatelo Italia, ahitana tranga miisa 135 586, 24 392 no sitrana. Any Alemana no ahitana tranga betsaka manaraka, miisa 107 659 no mitondra ny otrikaretina any aminy, ny 31 432 no sitrana ary 2 017 no maty. Laharana fahadimy i Sina, ahitana tranga miisa 81 802, ny 77 279 no sitrana ary 3333 no maty. Laharana faha-6 i Frantsa, ahitana tranga miisa 78 167, ny 19 337 no sitrana ary 10 328 no maty. Laharana fahafito i Iran, ahitana tranga miisa 67 286, ny 29 812 no sitrana ary 4 003 ny maty. Fahavalo ry zareo Royaume Uni, ahitana tranga miisa 55 242, manodidina ny 400 no sitrana ary 6 159 no maty. Laharana fahasivy i Torkia, ahitana tranga miisa 34 109, ny 1 582 no sitrana ary 725 ny maty. Fahafolo kosa ry zareo Belzika, ahitana tranga miisa 23 403, ny 4681 no sitrana ary 2 240 no maty.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.