Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Vehivavy iray sahabo ho 40 taona no namoy ny ainy omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 03 ora sy 10 mn teny Andrano­bevava Marais Masay. Niampita tampoka avy any ankavanan- dalana ilay vehivavy io. Tamin’izany indrindra anefa no voafaokan’ny fiara Starex ity farany ka maty tsy tra-drano. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny vata-mangatsiakany. Ny mpamily kosa noentina nanaovana fanadihadiana.
Lehilahy iray no voasambotry ny polisin’ny FIP ny alatsinainy teo noho ny resaka vaky trano teny Anosibe. Nahazo angom-baovao tamin’ny resaka vaky trano teny Ambohibarikely Anosibe ireo polisy ka nidina teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay lehilahy ka nosamborina.

Les commentaires sont fermées.