Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Olona iray nosamborina tao Ampanihy: tratra ny sokatra miisa 80 sy henany 100 kilao

Mirongatra ny fihazana sy ny famonoana sokatra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Sokatra velona miisa 80 sy henany natao kitoza milanja maherin’ny 100 kilao no tratran’ny mpiasan’ny Madagascar national park (MNP) tao amin’ny ala arovana Tsimanampesotse ao amin’ny fokontany Nisoa, kao­minina Androhipano,distrika Ampanihy, faritra Atsimo An­- dre­fana. Tratra nandritra izany ny lehilahy iray, ary nentina avy hatrany tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ampanihy. Nambaran’ny tonian’ny mpampanoa lalàna any an-toerana, fa sarotiny sady hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna ny fitsarana any Ampanihy, ka nampidirina am-ponja von­jimaika avy hatrany ilay lehilahy tratra. Mampitandrina ho an’izay minia hanao fomba mamoafady toy izao koa ny tenany, ary anisan’izany koa ireo mitady hivarotra na hanondrana sokatra.
Efa mihalany taranaka tokoa ny sokatra any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.