Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho fanampiana ireo mpianatra: hisy fampianarana ho an’ny rehetra amin’ny TVM sy RNM

Ho fanampiana ireo mpianatra: hisy fampianarana ho an’ny rehetra amin’ny TVM sy RNM

Mitohy mandritra ny roa herinandro indray ny fihibohana ho an’ny eto An­tananarivo sy Toamasina ary Fiana­ran­- tsoa. Ho fanampiana ireo mpianatra izay tapaka fianarana mandritra ny iray volana, hisy ny fandaharana manokana ho azy ireo andeha amin’ny TVM sy ny RNM. Andeha isaky ny amin’ny 9 ora maraina sy amin’ny telo ora hariva izany ho fanai-tai­rana ny sain’ny mpianatra tsy ho varian- dalao amin’izao fihibohana maha­ri­tra izao.
Natao ho an’ny kilasy isan-karazany ny fampianarana andeha amin’ireo ora ireo. Sady mampialavoly no mampianatra anefa izany mba tsy haha monamonaina ny ankizy ary ho mora raisin’ny sainy.
Nampanantena ihany koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena omaly nandritra ny tatitra nataony tetsy amin’ny CCO Ivato fa haterina eny amin’ny Cisco ny kahie fizarana sy boky ho an’ny ankizy ka hahazo izany ny sekoly rehetra hozaraina amin’ny mpianatra.
Ankoatra izany, hampiasaina ny tek­nolojia moderina ka hisy loharano-kevitra nomerika azo hanovozana fampianarana maro ao anatiny. Natao ho an’ireo mpianatra manana fahefana mampiasa ny “internet” ity tolotra ity.
Nanentana ny ray aman-dreny ihany koa ny minisitra Rijasoa Andriamanana Josoa mba hanokana fotoana ho an’ny ankizy ao an-trano hifantoka amin’ny fam­pianarana na dia 30 minisitra monja aza mba tsy haharafesina ny fitadidian’izy ireny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.