Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiovana sy fanovana fomba fiaina…

Fiovana sy fanovana fomba fiaina…

Mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana tanteraka izao… Anisan’izany ny fihibohana ho an’ireo iharan’izany : faritra Ana­la­manga, faritra Matsiatra Ambony, faritra Atsinanana. Tapa-bolana izay no vita, ary mbola misy toy izay. Hanao ahoana ? Hita ho ma­fimafy sy sarotsarotra ny raharaha.

Ny fiainana andavanandro mandavantaona amin’ny asa aman-draharaha eo ihany amin’ny anka­maroan’ny vahoaka ifotony : mby amin’ny hoe ny ho hanina anio, tadiavina anio. Na notrosaina oma­ly, ka haloa rahampitso… Soa ihany, misy ny karazana fanampiana etsy sy eroa : mahahenika ny rehetra sy mitohy ?
Tsy maintsy mitady ny tena raha mbola velona : fitady ny vola, fanary ny herimpo. Ny iasana, hihinanana sy hahazoana aina ; ny ihinanana sy akana aina, hiasana. Mila manova fomba fiaina sy fiaiana ary fiasa, raha te ho tafavoaka amin’izao kizo lalovan’ny firenena sy izao tontolo izao tsy anavahana izao ?
Eo ihany ny hoe fitadiavana sy fivelomana amin’izao lalan-tsaro­tra sy mafy diavina izao. Mandra-pahoviana? Takina ny fiovana sy fanovana fomba fiaina aman-pisaina ho an’ny sasany ? Za-dratsy amin’ny gaboraraka, tsy tan-da­làna, mailan-kisahirana, tsy mira­haraha ny hafa, tsy mijery lavitra amin’izay atao…
Anisan’ny fiovana sy fanovana andrasana amin’izao, ohatra, ny fomba fiainan’ny sasany amin’ny fitandroana mandrakariva ny faha­diovana sy ny filaminana. Eo koa ny fanarahana ny didy aman-dalàna, ny fanajana ny fitsipika sy fahaiza-miaina, ny fitsinjovana mandraka­riva ny fiarahamonina misy ny tena…
Amin’izao fotoan-tsarotra izao, rehefa tsy vonon-kiova sy hanova ny fomba fiaina sy fisaina ny tena, ovainy sy miova ho azy hanaraka ambokony ny zava-misy. Ho zary fiaretana sy fiforetana sisa ; eny, fiferotana aina aza. Hanao ahoana izany amin’izao fiatrehana ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina izao ?
Tena mila miova amin’izay raha te handresy sy handroso. Ny zava-misy no manova ny fomba fiaina sy fisaina sa ny fomba fiaina sy fisaina no hanovana ny zava-misy ?

Rafaly Nd. 

Les commentaires sont fermées.