Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ratsifa: « Tsy manova ny aingam-panahy ny fihibohana »

Ratsifa: « Tsy manova ny aingam-panahy ny fihibohana »

Mpanoratra anisan’ireo mikajy sy mandala fatratra ny hasin’ny teny sy ny soratra i Ratsifa. Manana ny aingam-panahy sy fomba fanoratra mampiavaka azy ihany koa anefa…

“Amin’ny ankapobeny, tsy manova ny aingam-panahy ny fihibohana ato an-trano satria rehefa tonga izy, manoratra aho… Tahaka ny teo aloha ihany”, hoy Ratsifa, mpanoratra. Nambarany anefa fa “ny isan’ny asa soratra toy ny tonon­kalo, tantara foronina, sns, no mitombo kokoa satria misy ny fotoana hanora­tana”. Malalaka kokoa ny fotoana ho an’ity poeta sady mpanoratra ity satria “tsy afaka miasa izahay noho ny fihibohana. Raha talohan’ny fihibohana, na tonga ao amiko aza ny aingam-panahy, tsy afaka ny nanoratra aho satria mbola voatazon’ny asa”, hoy izy.
Ho an’ny mpanoratra hafa indray, ilay aingam-panahy eo am-pahitana sy eo am-piainana ny fihibohana sy ireo fepetra hafa tsy maintsy arahina amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao mihitsy no manjary tonga marobe. “Na ny fahitana ny tanàna mangina, ny olona mitampina vava sy orona, ny varavaran’ny toeram-piasana mifidy, sns, aza dia efa miteraka aingam-panahy vaovao indray”, hoy Lala R., mpanora­tra anisan’ireo manana tononkalo ma­hitsy fitoraka.
…Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ihany koa ireo tonga mpanoratra noho ny fahitanany ny zava-misy ankehitriny. Nifoha tamin’ny torimasony ny talentan’izy ireny !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.