Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Naina Cecilia Marechal: “Tokony hifanaraka amin’ny toe-batana ny Spaoro atao”

Naina Cecilia Marechal: “Tokony hifanaraka amin’ny toe-batana ny Spaoro atao”

Toy ireo Malagasy rehetra mila ravinahitra any ivelany, nampirisika ihany koa ny mpiray tanindrazana aminy, hanao Fanatanjahantena ho fitaizam-batana i Naina Cecilia Marechal, izay judoka monina any Belzika any. Malalaka tsara ny fotoana, hoy izy amin’izao fotoana izao, ka tokony ho araraotina. Na izany aza, mila manaraka tsara ny toromarika napetraky ny manam-pahaizana manokana momba izany isika, hoy hatrany i Naina Cecilia Marechal, satria dia samy mahafantatra ny tokony ho zakany ny tsirairay. Nohamafisiny, mazava ny fanambaran’ ireo manam-pahaizana, fa mety hanaitra ny tsimokaretina ao anaty, ireny karazana fampihetseham-batana “cardio” ireny, indrindra raha somary mafy na mahery vaika loatra. Afaka misafidy tsara, hoy i Naina Cecilia Marechal ny rehetra satria, efa misy ary maro ireo fampianarana hita anatin’ny “you tube” sy “application gratuite” ary ireo olon-tsotra sy namana, afaka manome fampiarana mivantana amin’ny alalan’ireny seraseram-pifandraisana maro ireny. Nanamafy kosa moa ity Judoka, efa tompondakan’i Madagasikara teo aloha ity, fa tsy afa-misaraka amin’izany ny fisotroana rano, izay tena ilain’ny vatana.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.