Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakafaka: aza mifandray tànana rehefa…

Akory aby e ! Manao ahoana ianareo ao ? Salama e ! … Veloma e ! sns. Na teo amin’ny fi­fam­piarahabana na teo amin’ny fifanaovam-beloma, efa niainan’ny Malagasy ny tsy mifandray tanana. Na nifanakaiky aza ka handeha ho eny an-tsaha na efa avy eny, ny tanana havanana milanja angady, ny havia mitazona ny entana eny an-dohaloha, tsy afa-nifandray tanana ihany koa fa avy hatrany dia ny vava no mifanatsafa.
Taiza ho aiza tamin’ny vanim-potoana no­diavin’ny Malagasy ary no nanomboka nanjaka sy nibahan-toerana ary nomena lanja lehibe ity mifandray tanana ity rehefa mifampiarahaba na ny mifanao veloma ? Amin’ny ankapobeny, tsy mbola nandinika io tranga io loatra ny ankama­roan’ny mpikaroka na ireo mpahay fomba. Ao aza moa ireo miteny fa « tsy mahalala fomba iny olona iny fa tsy mandray tanana akory ». Tsy vitsy ihany koa ireo mametraka ny tenany ho « ambony » noho ny hafa ka tsy mandray ny tanan’ireo “ambany” noho izy, hono. Izany hoe, efa zary fomba mirakitra fotom-pisainana mafonja ny fifandraisan-tanana na tsia, ho an’ny Malagasy.
Ankehitriny, mandalo eto Madagasikara ny va­la­naretina coronavirus, tsy azo atao ny mifandray Tanana. Halaim-panahy ny mpandi­ni­ka sasany ilaza hoe “izay ihany koa ange ny tena fomba Malagasy e” ! Manamafy io koa ireo tsy te han­dray tanana olon-kafa noho ny antony samihafa.
Samy manana ny fombany, ny fiheverany, ny fandinihany, sns, ny rehetra fa ny azo antoka, olona tia sy mankamamy ny “fifanoloran-tanana” ny Malagasy indrindra fa raha tojo ny sarotra tahaka izao diavina ankehitriny izao !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.