Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid-19: efa miisa 1 290 482 no mitondra ny tsimokaretina maneran-tany

Covid-19: efa miisa 1 290 482 no mitondra ny tsimokaretina maneran-tany

Miisa 1 290 482 no mitondra ny tsimokaretina covid-19 manerana an’izao tontolo izao. Io no tarehimarika azo farany omaly hariva. Fantatra tamin’izany, fa efa mahatratra hatramin’ny 70 627 no isan’ny maty ary 270 576 no sitrana. Mbola i Etazonia kosa no ahitana ireo olona betsaka indrindra mitondra izany tsimokaretina izany, izay miisa 338 399 ka ny 9678 no efa maty ary 17 717 no sitrana. Manaraka azy ny any Espana, ahitana olona 135 032 no mitondra ny tsimokaretina, ny 13 055 no maty raha 40 437 no sitrana. Eo amin’ny laharana fahatelo ry zareo Italianina, ahitana olona miisa 128 948 no mitondra ny tsimokaretina, ny 15 887 no maty ary 21 815 no sitrana. Eo amin’ny laharana fahaefatra i Alemaina, ahitana olona miisa 100 315 mitondra tsimokaretina, 1597 no maty ary 28700 no sitrana. Any amin’ny laharana fahadimy i Frantsa, ahitana tranga miisa 92 840, miisa 8 078 no maty raha 16 183 no sitrana. Laharana fahaenina i Sina, ahitana tranga miisa 81 707, ka ny 3331 no maty ary ny 77 084 no sitrana. Fahafito Iran, ahitana tranga miisa 60 500 ka 3739 no maty ary 24 236 no sitrana. Manaraka azy i Royaume Uni, ahitana tranga miisa 48 348 ka ny 4943 no maty ary 177 no sitrana. Laharana fahasivy i Torkia, ahitana tranga miisa 27 069 ka 574 no maty ary 1042 no sitrana. Ry zareo Soisa kosa no laharana faha-10, ahitana tranga miisa 21 652 ka ny 734 no maty ary 7298 no sitrana.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.