Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vakoana Lodge Andasibe: mila arahi-maso sao tratry ny Covid-19 ireo varika

Vakoana Lodge Andasibe: mila arahi-maso sao tratry ny Covid-19 ireo varika

Na eo aza ny fiarovana ny ain’ny olombelona amin’ny Covid-19 na Coronavirus, manaitra ny sain’ny rehetra koa ny manampahaizana,  fa mety mitahiry na mamindra ny tsimok’aretina koa ny biby, toy ny varika, raha ny fanairana ataon’ny Pr Ratsimbazafy Jonah.

Anisan’ny nitsidika ny valanjavaboa­hary tantanin’ny mpandraharaha tsy miankina ao amin’ny Vakoana Lodge Andasibe, ilay vazaha tratry ny tsimok’ aretina Coronavirus, nolazain’ny filoha Rajoelina mivantana, tamin’ny haino aman-jery, ny herinandro lasa teo.

Manoloana izany, manaitra ny sain’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fam­pandrosoana maharitra, Rtoa Raharinirina Vahinala, ny Profesora Ratsimbazafy Jonah, mampianatra ny taranja Pathologie des abeilles et faune sauvage ao amin’ny sampana mikasika ny biby aro amin’ny sampam-pianarana fitsaboana eny amin’ ny oniversiten’Antananarivo.

Mitazona tsimok’aretina ny varika

Araka ny fahalalana ananany, misy ny tsimok’aretina virus ifamindran’ny olom­belona sy ny  varika, ny gidro, ny “go­- rille”, sns (primate), ka anisan’ny tena fantatry ny maro ny HIV sy ny tiber­kilaozy na raboka, fa misy koa ny aretina hafa.

Koa, noho izany, mandroso soson-ke­vitra maika sy haingana ny Pr Ratsim­- bazafy Jonah amin’ny tokony hanaovana fitiliana an’ireo olona mpisehatra ao amin’ny valanjavaboahary tantanin’ny tsy miankina, Vakoana Andasibe , sy koa ireo varika, satria mifandray akaiky amin’ny mpitsidika sy ny mpizahantany any ireo biby ireo.

Antony, mampatsiahy ny Pr Ra­tsim­bazafy Jonah, fa “efa tranga toy izany tao amin’ny valanjavaboahary Tsimba­zaza sy ny any Ivoloina Toamasina, nisian’ny varika maty nisesy, fito taona lasa angamba izay”.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.