Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taekwondo WT – Tompondaka eran-tany: mivonona hatrany Randriamiandrisoa Nicolas

Taekwondo WT – Tompondaka eran-tany: mivonona hatrany Randriamiandrisoa Nicolas

Ny 21 hatramin’ny 24 may izao, no tokony hanatanterahana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny taranja taekwondo WT. Noho ny zava-mitranga maneran-tany anefa, nahemotra ary mety ho foanana mihitsy izany fifaninanana ngezabe ho an’ity taranja ity izany. Tsiahivina, manana atleta Malagasy tokony hiatrika azy ity isika, amin’ny alalan-dRandriamiandrisoa Nicolas, izay monina sy mila ravinahitra any ivelany any. Efa nahazo ny tapakila hiatrehana izany moa i Nico, taorian’ny nandrombahany ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Frantsa, volana vitsy lasa izay.

Na dia mbola tsy misy daty mivoaka aza anefa ny fanemorana ity fiadiana ny tompondaka eran-tany ity, efa miomana sy mivonona hatrany i Randriamiandrisoa Nicolas, izay miara-manao fanazaran-tena miaraka amin-janany vavy isaky ny maraina. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho azy ireo isan’andro. Rehefa avy mikotrana dia manara-maso ny “devoir” ny zanany ary alefa amin’ny alalan’ny “internet” any amin’ny mpampianatra avy eo. Nanamafy i Nico, fa mafy ny mihiboka ary betsaka ny fahavoazana aterak’izany, raha tsy hilaza afa-tsy izao mety ho fanafoanana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny taranja taekwondo WT izao.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.