Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Renibe mpampijaly zafy: naiditra am-ponja vonjimaika

Renibe mpampijaly zafy: naiditra am-ponja vonjimaika

Nidoboka am-ponja, ny alakamisy teo,  ilay ramatoabe nampijaly sy nanandevo ny zafikeliny ao Mampikony. Fantatra fa niakatra fampa­noavana ny raharaha taorian’ny fiparitahan’ny zava-nisy tao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Ary nampamahelo ireo nahita ny zava-nahazo an-dRamamonjisoa Florence, ilay ankizivavikely niharan’ny herisetran-drenibeny. Tezain’io renibeny io ilay ankizy ary voalaza fa niharan’ny fampi­jaliana miendrika fanandevo­zana.

Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mpianatry ny EPP Ambalavavy Mam­pikony  io zazavavikely io. Samy mbola velona ny ray aman-dreniny kanefa tsy miraharaha azy. Ny renibeny araka izany no mitaiza azy. Tsy fantatra ny antony nampijalian’ity zafikeliny ity. Raha ny fitan­taran’ireo manodidina dia matetika voafatotra io ankizivavikely io. Dorana amin’ny afo ary tsy mahazo mandeha an-tsekoly. Efa nisy, hoy izy ireo, ny fotoana nakan’io ramatoabe io azy an-keriny tao amin’ny sekoly nianarany.

H.H

 

Les commentaires sont fermées.