Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Papa Fransoa: mahatsiaro ireo manana ny marary isan-tokantrano

Papa Fransoa: mahatsiaro ireo manana ny marary isan-tokantrano

Miditra anatin’ny herinandro masina hiomanana amin’ny andron’ny Paska ankehitriny, ny mpino katolika maneran-tany. Manoloana izany, nitondra teny fankaherezana ny Papa Ray Masina Fransoa, ho an’ny kristianina isan-tokantrano. “Mahatsiaro am-bavaka ny isan-tokantrano aho, indrindra ianareo manana ny marary sy mitondra ny tsimokaretina Coronavirus maneran-tany. Na dia hiavaka tsy toy ny isan-taona aza ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity, vao maika manosika antsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra”, hoy izy, indrindra anatin’izao herinandro masina izao. Mamporisika ny tsirairay ny Papa Fransoa hanana fanantenana. Ny Paska hoy izy dia fandresena ary samy manantena fa hiara handresy amin’i Jesoa Kristy izay maty ho famonjena ny olombelona rehetra eran-tany.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.