
Na eo aza ny fisian’ny Covid-19, mitohy ihany ny trafikana zava-mahadomelina ataon’ireo mpanao trafika. Rongony milanja 100 kg natao tanaty gony miisa valo no tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ny asabotsy teo teny Anosibe. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisiana kamiaobe iray mampidina entana eny amin’ny tsenan’ Anosibe. Nampiarahina tamin’ny entana ireto zava-mahadomelina ireto. Nambaran’ny polisy fa misy amin’ireo rongony ireo no efa vita fonosana ary efa saika haparitaka eto an-drenivohitra saingy nalaky ny fahatonga- van’ny polisy ka izao tratra izao. Lehilahy iray 47 taona no tratran’ny polisy teny Ano- sibe tamin’io fotoana io taorian’ny fanadiha- diana. Fantatra fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanapariahana ireto zava-mahadomelina ireto eto an-drenivohitra ity lehilahy ity. Avy any amin’ny faritra atsimo izy ireto, araka ny tatitra voaray.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.