Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Barea de Madagascar: voan’ny «AVC » i Raux Auguste, mpanampy an’i Dupuis

Kitra – Barea de Madagascar: voan’ny «AVC » i Raux Auguste, mpanampy an’i Dupuis

Eny amin’ny hopitaly miaramila (Homi) Soavinandriana amin’izao fotoana izao, ny Maitre Raux Auguste, mpanazatra mpanampy an’i Nicolas Dupuis. Tratry ny fahatapahana lalan-drà tao amin’ny lohany (AVC), izy ny zoma lasa teo.

Hatairana ny an’ny rehetra, ny asabotsy lasa teo, nahita ny vaovao tao amin’ny tambajotran-tserasera fa marary, voan’ny «AVC» i Raux Auguste, mpanazatra mpa­nampy an’i Nicolas Dupuis, ao amin’ny Barea de Madagascar. Araka ny fitantaran’ ny vadiny, nitambotsitra tao an-tranony, ny Me Raux, ny zoma maraina, ary tsy na­hatsiaro tena, ka nentina haingana teny amin’ny Hopitaly miaramila (HOMI), Soavinandriana.

Najanona tao amin’ny efitrano fame­lomanaina izy, ary ny asabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina izy, vao nahatsiaro tena, saingy tsy mbola tonga saina tsara, ka somary nanao krizy kely. Amin’izao fotoana izao, efa mihatsara ny toe-pahasalamany satria efa mahatsiaro tena tsara ary efa miresaka na tsy mbola mazava tsara aza, izay lazainy. Efa na­findran’ny mpitsabo any amin’ny efitrano natokana ho an’ny marary izy, ka ao amin’ny efitra laharana 413.

Raha tsiahivina, mpanazatra mpanam­py an’i Nicolas Dupuis, i Raux Auguste, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019», notanterahina tany Egypta, izay nahatafakatra ny Barea de Madagascar, tany amin’ny dingana am­pahefa-dalana. Talohan’io izay, nitondra ny ekipan’ny Uscafoot, klioban’ny kao­minina Antananarivo Renivohitra, ny Me Raux Auguste ary farany teo, nanazatra ny Elgeco Plus, izay miatrika ny «Orange Pro league», ny tenany.

Efa tonga namangy azy teny an-toe­rana, ny mpikambana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), sy ireo mpilalao niaraka taminy ary ireo mpanazatra. Ankoatra izay efa nandefa firariantsoa ho an’ny fahasala­man’ny Me Raux Auguste, i Ibrahim Amada.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.