Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitry ny mpandalo ; resaky ny mpitsimpona akotry: Tsara noho ny tsy misy, na izany aza…

Ifaninanana ary itrangan’ny fifaminganana toy adin’ny jiolahimboto amin’izao fotoana izao ny fividianana maska na tampim-bava araky ny filazantsika azy. Fantatra fa madinika loatra ny firenena ka tsy afaka hisisika ao anatin’ilay ady saritaka. Izay mifanandrify ny fahafahan’ny tena no imasoana. Mba ahafahana mandalina ny dinika ifanaovana, tsara tsiahivina fa maro sokajy ny maska. Ao ilay avo lenta atao hoe FFP2 izay miaro tanteraka tsy anaparitahan’ilay olona mifehy ny tarehiny ny virus avy aminy raha toa mitondra an’ilay izy ny vatany ka mety nanaraka ny piti-drorany. Miaro azy tsy hidiran’ny virus mipitika any aminy koa moa ilay izy. Aorian’izay dia ny maska sirorzikaly izay miaro an’izay voasakany fa tsy mahatanty ny fanasana sy fipasohana azy. Farany ny tampim-bava toy ilay ampiasaina eto an-toerana Tsy hifamitaka fa tsy mahasakana tsara ny virus manaraka piti-drora niantefa eny aminy, fa araky ny fanambaran’ny manampahaizana dia mahavita ny vitany. Ary raha toa miparitaka izay tsy izy ilay covid 19 dia tena ilaina ny fanakonana ny vava sy ny orona. Tsy fomba fiteny fotsiny fa ara-bakiteny mihitsy tsara lavitra noho ny tsy misy.

Ilay indro kelin’nympandrafitra, tsy mikasika an’ity takom-bava farany ity irery fa fitandremana tsy maintsy imasoana rehefa manala azy na inona na inona maska anaovana. Ilay elastika mitana azy amin’ny sofina no tsingitsinginina eo am-panendahana an’ilay maska. Araky ny antony nanaovana an’ilay maska dia iny tampona ivelany iny dia mety feno virus mitakosona izay atao fady ny fikasokasohana aminy. Iretsy maska karazany hafa dia any amin’ny fonosana avarina any amin’ny fako, ilay tampim-bava vita eto an-toerana kosa dia arotsaka mivantana ao anaty rano ho hampangotrahana. Tsy izany no atao entina ifendroana, tsy ifaninanana ny fahafahana miaro tena. Hatramin’izao, anisan’ny nahomby ny tetika nampiharina teto an-toerana. Avela hiteny na haneso mihitsy aza ny mpanaratsy. Tsy nisy tsy natao izay afaka notratrarina teto an-toerana, toy ny sokina ny maso kely ananana no ahiratra arak’izay afaka.

Rehefa dila ity fotoan-tsarotra ity dia tsy maintsy hifanazava. Raha matetika moa, izay nanao ihany no mahazo tsiny. Amin’ity indray mandeha ity angamba izay tsy nanao no hiangonan’ny rihitra.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.