
Voavaly ny fanontaniana manitikitika ny kristianina eto Madagasikara. Tsy mbola hisokatra ny fiangonana mandritra ny Herinandro Masina sy ny fetin’ny paka. Handeha amin’ny fahitalavi-pirenena kosa ny fotoam-bavaka…
Mitohy ny fikatonan’ny fiangonana mandritra ny Herinandro Masina sy ny fetin’ny Paska. Alefa amin’ny TVM sy ny RNM isaky ny amin’ny 5 ora hariva kosa ny fotoam-bavaka feno izay hifandimbiasan’ny fiangonana efatra ao anatin’ny FFKM ny fanatanterahana izany mandritra ny herinandro Masina.
Io no fanapahan-kevitra lehibe noraisin’ny FFKM taorian’ny dinika nifanaovana tamin’ny filoham-pirenena ny faran’ny herinandro teo.
Ny alatsinainy masina izay hotanterahin’ny katolika ny fanompoam-pivavahana feno ka iarahan’ny mpino rehetra ao anatin’ny FFKM miaina izany fotoam-bavaka izany. Anjaran’ny Anglikanina ny talata ary iandraiketan’ny Loterana ny alarobia.
Ifarimbonan’ny filoham-piangonana mandrafitra ny FFKM kosa ny fanatanterahana ny vavaka mandritra ny alakamisy masina. Hotanterahin’ny FJKM indray ny fanohizana ny fotoam-bavaka ny zoma masina. Itambaran’ny FFKM kosa ny lamesa mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska ny alahady.
Fotoana sarobidy amin’ny famelomana ny finoan’ny kristianina ny Herinandro Masina ka miara-miombom-bavaka isaky ny hariva amin’ny 5 ora ny mpino rehetra manerana ny Nosy arak’io fandaharam-potoana io. Mahasehaka an’i Madagasikara manontolo ny RNM sy TVM ary mbola manasa ny haino aman-jery rehetra aza ny FFKM mba hiara-hanonja amin’ity herinandro masina ity mandritra io fotoam-bavaka io.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.