Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo: lavon’ny zandary ireo mpimasy telo malaza ratsy

Firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo: lavon’ny zandary ireo mpimasy telo malaza ratsy

Voatifir’ireo zandary teo am-pandosirana ireo mpimasy telo lahy raindahiny voasambotra tamin’ny herinandro. Araka ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao, lavon’ny balan’izy ireo tao Andilanatoby Ambatondrazaka ireo mpimasy ireo ny alin’ny zoma lasa teo. Ireto farany, izay teny an-dalana hamonjy ny fonjaben’i Tsiafahy no nitsambikina teny ambon’ny fiara nitondra azy ireo. Fantatra tamin’izany fa nanararaotra ny haratsian’ny lalana sy ny andro alina ireo olon-dratsy. Nasain’ireo zandary nijanona tamin’ny alalan’ny antso sy tifi-danitra fampitandremana izy ireo saingy tsy nijanona mihitsy. « Angamba nanantena fa haharo azy ilay voalazany fa ody bala. Koa voatery nitifitra ireo zandary. Tamin’izany no nahalavo azy ireo», hoy ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manaporofo  ny maha olon-dratsy ireo mpimasy ireo ny fandosirany. Ny fahafatesan’ireo mpimasy malaza ratsy ireo ihany koa manambara fa tsy misy izany ody bala izany. Ary fisolokiana sy famitahana olona fotsiny izany, hoy hatrany ny fanazavan’ny loharanom-baovao.

Raha tsiahivina, i Soamila sy i Liva ary i Koto ireo mpimasy ireo, izay samy voasambotra tao Andilamena. Taorian’ny didy azo tamin’ny fitsarana no nitondrana azy ireo hihazo an’i Tsiafahy. Koa niainga tao Andilamena izy ireo niaraka tamin’ny zandary ny harivan’ny zoma teo ary izao lavo izao.

H.H

 

Les commentaires sont fermées.