Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny minisitra: lasa lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude

Filankevitry ny minisitra: lasa lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny asabotsy teo teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony. Araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy ny Jly Rabenai­vo­arivelo Jean Claude, izay kaomandin’ny vondrom-paritany miaramila voalohany (RM1) Analakely teo aloha mialoha ny nanendrena azy ho amin’izao andraikitra goavana sahaniny izao. Hentitra eo am-panatanterahana ny asa sahaniny ity manamboninahitra ity. Anisan’ny nampiavaka azy ny fisafoana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy, mijery ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana sy manome toromarika ireo miaramila eo ambany fifehezany misahana ny fitandroana ny fandriampahelamana amin’ireo faritra mena ireo. Voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety ny Jly Rakotoniaina Jean Aimé raha ny Jly Radona Ratiarivelo Ellis kosa no lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Ny Capitaine de Vaisseau GA Jacquy Honoré no voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina. Tafiditra ao anatin’ny fiovan-drafitra napetraky ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny fame­trahana lehiben’ny Etamazaoro ho an’ny Tafika an-tanety, ny Tafika ana habakabaka ary ny Tafika an-dranomasina toy izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.