Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanana Fitia: nanome tohana ireo mpiasan’ny fahasalamana

Fikambanana Fitia: nanome tohana ireo mpiasan’ny fahasalamana

Anisan’ny tena miasa mafy andro sy alina ny mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 eny amin’ny hopitaly eto Antananarivo. Noho ny fahatsapana izany, nanolotra tohana ho azy ireo ny filohan’ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny mpitsabo, nahazo ny anjarany koa ireo mpikarakaraka ny marary eny amin’ny hopitaly Manarapenitra sy ny eny Anosiala. 138 baoritra ho an’ny eny Andohatapenaka raha 115 baoritra ho an’ny eny Anosiala ny sakafo naterin’ny tomponandraikitra ho azy ireo. Vary, spiruline, ronono mandry, biskoy, siramamy, savony, kafe,menaka ary Koba aina no tao anatin’ny fonosana rehetra. Matoa nahazo ny vokatra fahasitranana ny marary roa izay tao anatin’ny tranga nanahirana satria tonga tany amin’ny havokavoka ilay tsimokaretina, dia noho ny fikarakaran’ny rehetra indrindra ny mpitsabo, hoy ny profesora Vololontiana Hanta ka mendrika azy ireo ny fanohanana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.