Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihibohana an-trano: nianatra teny Malagasy i Nicolas Dupuis

Fihibohana an-trano: nianatra teny Malagasy i Nicolas Dupuis

 

Anisan’ireo olona miaina ny fisian’ny valana­retina “coronavirus”, eto Madagasi­kara i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Manaja, tanteraka  ny fepetra, tsy fahazoana mi­voaka ny trano na mandehandeha “confinement”, ny tenany. Na eo aza izany, feno tanteraka ny fanda­haram-potoany, mandritra ny fihibohana. Anisan’ireny, ny fanaovana fanatanjahan­tena mitokana na miaraka amin’ny fianakaviana, ny famakiana boky ary indrindra fa ny fianarana miteny Malagasy. “Betsaka ny zavatra azo atao, rehefa mijanona ao an-trano toy ny manao lalao na mihira”, hoy izy.  Araka izany, ma­nentana ny olona izy mba tsy hivoaka ny trano ary hanasa tanana matetika fa izany no hahazoana miady amin’ity valanaretina “coronavirus”, ity. Noha­mafisiny fa tokony hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toro-marika lazain’ny filoham-pirenena sy ny minisitera ny tsirairay. Noraisiny ho ohatra ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Can 2019”. “Matoa ny Barea de Madagascar nandresy ary nanome fahafa­ham-po antsika, nanaraka ny fitsipika izy ireo ary nanaiky ny toro-lalana rehetra. Mila miara-mientana ny rehetra araka izany, hahazoana miady amin’ity “coro­navirus”, ity ka tokony hijanona ao an-trano”, hoy izy.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.