Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihan-dahalo tao Tsihombe : mbola mitohy ny fanarahan-dia

Taorian’ny fanafihan’ireo dahalo miisa 5 tao amin’ny fokontanin’i Tsivorikely, kaominina ambanivohitr’i Tsihombe ny alakamisy hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora, mbola manohy ny fanarahan-dia ireo zandary dimy lahy sy ny fokonolona. Hatra­min’ny ora nanoratanay farany, ao Antani- mo­ra Atsimo, 50 km mialan’i Tsihombe ireo mpanara-dia. Raha tsiahivina, nitifitra raim-pianakaviana atao hoe Sakaraha, manodidina ny 50 taona ireo dahalo mirongo basim-borona. Io lehilahy io izay maty tsy tra-drano taorian’ny voina nahazo azy. Ary lehilahy 3 hafa namonjy azy ihany koa notifirin’ireo tsy mataho-tody teo amin’ny tongony tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavan’ilay ramatoa namoy vady, notifirin’ ireo dahalo teo amin’ny tratrany ny vadiny. Tsy nahafaty azy anefa izany. « Omeko vola ianareo fa avelao ny vadiko ho velona », hoy ny fanazavan’ilay tompona tsena, nitalaho mafy tamin’ireo dahalo. Namaly azy anefa ireo dahalo fa ny ain’i Sakaraha no ilain’izy ireo. Ka notifiriny fanintelony ilay raim-pianakaviana ary namoy ny ainy avy hatrany. Taorian’izay, noraofin’ireo dahalo ny enta-madinika izay zakany ary nitsoaka izy ireo. Ireo naratra kosa noentina tao amin’ny hopitalin’i Tsihombe.

H.H

Les commentaires sont fermées.