Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid-19 – Tamin’ireo 72 hatramin’ny omaly: misy roa sitrana soa aman-tsara ka efa nalefa nody

Sambany. « Olona roa nalefa nody fa sitrana soamantsara. Tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalaman’izy ireo », hoy ny mpitondra tenin’ny Foibe fibaikoana ny ady atao amin’ny covid-19 (CCO), ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Nambarany fa sitrana hatramin’ny aretina hafa nahazo azy ireo ka tsy misy ahiana hamindra amin’ny hafa intsony. Na izany aza, efa nahina ny iray tamin’ireo roa sitrana ireo, araka ny nambarany. « Tsy maintsy manohy ny fepetra rehetra any an-tokatranony… », hoy ihany izy. Mbola manohy ny fanarahana ny toromarika hatrany izy ireo na efa any an-tranony aza. Anisan’izany ohatra ny fihibohana.

Etsy andanin’izay anefa, vehivavy iray, omaly, no voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Hatreto izany, 70 ireo tratran’ny valanaretina coronavirus. Ny 58 amin’ireo misy soritr’aretina ary ny 11 kosa misy soritr’aretina. Tsy misy fahasemporana kosa anefa izy rehetra ireo, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CCO eny Ivato.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.