Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid-19-Italia: mpitsabo miisa 80 no efa maty

Covid-19-Italia: mpitsabo miisa 80 no efa maty

Mbola mitàna ny laharana voalohany, amin’ny isan’ny matin’ny tsimokaretina Covid-19 hatrany i Italia, na dia efa somary nihena aza izany. Isan’ny manao sorona ny ainy amin’ny fitsaboana ireo marary ny mpitsabo any an-toerana. Ankehitriny, mpitsabo miisa 80 no maty any an-toerana, izay ny ankamaroany dia nifindran’ireo marary tsaboina ao amin’ny hopitaly iasana. Amin’ny ankapobeny kosa, manodidina ny 16 000 eo amin’izao fotoana no maty any Italia, raha toa ka efa tafakatra 125 000 eo ny mararin’ity areti-mandoza ity.

Araka ny antontan’isa farany, 1 205 000 eo no voan’ny Coronavirus maneran-tany, ka manodidina ny 65 000 ny isan’ny maty. Mbola laharana voalohany manana marary betsaka indrindra i Etazonia izay mahatratra 311 616, raha toa ka 8 489 ny maty. I Espagne kosa ny laharana faharoa izay tafakatra 126 168 mahery ny tratra ary 11 947 ny efa maty. Manaraka azy i Italia, 124 632 ny marary, 15 362 ny maty. Ho an’i Allemagne kosa, niakatra be ny isan’ny mararin’ny Coronavirus, izay manodidina ny 96 200 ankehitriny ka nametraka azy ho eo amin’ny laharana fahefatra, 1 446 ny isan’ny maty. I Frantsa no fahadimy izay manana marary 89 953 ary 7 560 ny maty. Manaraka azy, i Sina, i Iran, i Royaume Uni, i Torkia ary i Suisse.

Mi.Raz

1-Etazonia : 311 616, maty : 8489

2-Espagne : 126 168, maty : 11 947

3-Italia : 124 632, maty : 15 362

4-Allemagne : 96 108, maty : 1446

5-Frantsa : 89 953, maty : 7560

6-Sina : 81 669, maty : 3329

7-Iran : 55 743, maty : 3452

8-Royaume-Uni : 41 903, maty : 4313

9-Torkia : 23 934, maty : 501

Les commentaires sont fermées.