Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Coronavirus: Nanampy an’i Mahajanga i Ahmad

Coronavirus: Nanampy an’i Mahajanga i Ahmad

Tonga any Mahajanga, i Ahmad, filohan’ ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), ka nanolotra fanampiana ho an’ny vahoakan’i Boeny, hiadiana amin’ny fiparita­han’ny vala­naretina «coronavirus». Maha­jan­ga, izay tsy mbola tafiditr’ity «covid 19», ity saingy nambaran’i Ahmad, fa mila mailo sy fahamalinana ka izany ny anton’izao fanampiana izao. Savony sy vovon-tsavony, mitentina 2, 3 tapitrisa Ar, no nomen’i Ahmad sy ireo namany mpandraharaha ara-toe-karena. Nisitraka izany, ireo fokontany efatra ao Mahajanga renivohitra no nisitraka izany,

Nambaran’i Ahmad, fa hitohy any amin’ ireo fokontany hafa sy ny toerana manodidina an’i Mahajanga, izao fizarana sy fanampiana ny mponina izao. Ankoatra izay, niantso ireo tanora mpirotsaka an-tsitrapo, ny filohan’ny Caf, hanao hetsika fanentanana momba ny fahadiovana, izay hany, fitaovam-piadiana iray mahomby, amin’ny ady tsy hiparitahan’ ity valanaretina «corona­virus», ity ankoatra ny fihiboana an-trano. Antenainy fa ho faritra sy hidiran’ny «co­ronavirus», i Mahajanga.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.