Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cité U: nanomboka ny fizarana ny sakafo

Cité U: nanomboka ny fizarana ny sakafo

Ho fitsinjovana ireo mpianatra monina eny amin’ny Cité U ka tsy afaka nody any amin’ny ray aman-dreniny ao anatin’ny fihibohana, nanome vary, siramamy ary menaka hozaraina amin’izy ireo ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo, notarihin’ny filohany, profesora Ravelomanana Mamy ny faran’ny herinandro teo teny Fiadanana. Vary 3,5 t, menaka 1300 liltra ary siramamy 1300 kg no naterina tany amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Nanamarika ny filohan’ny oniversite fa betsaka ny mpianatra tsy tafody fa ny sasany manofa trano fa tsy eny amin’ny Cite U. Nitondra tolotanana koa ho an’ny mpianatra ny fikambanan’ny karana kazarany dimy izay nanome vary 8t, menaka 300l haparitaka eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra manerana ny oniversite enina. Efa nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fizarana isam-baravarana ny sakafo ho an’ny mpianatra eto Antananarivo rehefa vita ny lamina ho amin’izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, Randriamasitiana Gil Dany. Teny amin’ny cité Ambolokandrina sy Ravitoto no nisantarana izany. Manampy ny sakafo efa nozarain’ny fanjakana ireto.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.