Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boeing 777: teratany frantsay 457 nalaina manokana teto Madagasikara

Boeing 777: teratany frantsay 457 nalaina manokana teto Madagasikara

Ny asabotsy teo, nandefa fiaramanidina ma­nokana ny firenena frantsay, nakana ireo terataniny tavela teto Madagasikara sy ireo teratany malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, hody any aminy. Sidina manokana ity nalefa ity satria tsy mbola misokatra ho an’ny rehetra ny fifamoivoizana an’habakabaka amin’i Frantsa noho ny fifehezana ny aretina coronavirus eto Madagasikara.

Miisa 457 ireo mpandeha ka Boeing 777 iray no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato naka azy ireo.

Nasaina nanasa tanana tamin’ny savony avokoa ireo mpandeha ireo ary nomena takom-bava tsi­rairay avy izay vao afaka niditra tao amin’ny se­ra­nam-piaramanidina.

Teo ambany fanaraha-mason’ny polisy miasa eny amin’ny seranana Ivato hatrany ny fanarahana ny fepetra rehetra ho an’ireo mpandeha ireo. Na­rahi-maso akaiky ny antontan-taratasin’ny mpan­­deha . Rehefa voamarina izany dia nalefa any amin’ny efitra fiondranana avokoa ny mpandeha rehetra.

Niainga ny asabotsy 4 aprily tamin’ny 7 ora sy 50 initra hariva ity fiaramanidina manokana nalefan’ny firenena frantsay ity. Marihina fa efa nisy ihany koa ny sidina manokana toy izao nitondra ireo teratany frantsay niala teto Madagasikara efa niainga ny 21 sy ny 23 martsa lasa teo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.