Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Black Maki Madagascar: nanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana

Black Maki Madagascar: nanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana

Manoloana izao fahasahiranana, noho ny valanaretina “coronavirus”, mianjady amin’ny firenena izao, tsy nanadino ireo mpiray tanindrazana aminy ny fikam­banan’ireo mpitondra “moto” be mivondrona ao anatin’ny “Black Maki Mada­gascar”. Ny asabotsy lasa teo, tonga tetsy amin’ny lapan’ny tanàna, nanatitra fa­nampiana, vary milanja 1,2 taonina, ho tantanan’ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra izy ireo.

Araka ny fanambaran’ny tomponan­drai­kitry ny “Black Maki Madagascar”, homena ireo olona tsy manan-kialofana sy ireo vahoaka sahirana, izay hiandrai­ketan’ny kaominina, ny tolo-tanana, natolotra. Entin’izy ireo miatrika ny ady atao amin’ity areti-mandoza, mandripaka ain’olona maro manerana izao tontolo izao, ity. Nandray izany, teny an-toerana, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, izay nisaotra sy nankasitraka tamin’ny fihetsika maha te hidera, nataon’ireto, mpankafy ny “môto” be, ireto. Hotsinjaraina, araka ny tokony ho izy, amin’ireo vahoaka sahirana, ireo vary natolotra.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.