Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny Coronavirus – ADB: 4100  miliara dolara ny fatiantoka maneran-tany

Ny aterak’izao valanaretina Coronavirus izao, ny fitoton­gan’ny toekarena maneran-tany, krizy goavana indrindra amin’izao taonjato faha-21 izao. Toy ny efa hita soritra amin’izao fotoana, mamely ny fahasalamam-bahoaka sy ny toekarena maneran-tany ny Coronavirus, tsy misy afa-bela amin’izany.

Araka ny fanahadiana nataon’ny Banky aziatika momba ny fampandrosoana (ADB), mety hahatratra 4 100 miliara dolara ny fatiantoka maneran-tany. Mbola mety ambany izany tombana izany, satria tsy voakajy ny olana ara-tsosialy rehetra, ohatra, ny fahasalamana sy ny fampianarana, sy izay fiantraikany mandritra ny fotoana maharitra, araka ny fanadihadiana nataon’ny ADB ihany.

Mampiavaka ity Coronavirus ity, izao tontolo izao tratra avokoa ny seha-pihariana rehetra, tampoka ary tsy nampoizina. Nandray fepetra henjana daholo hiatrehana ny krizy ireo firenen-dehibe : ny fanjakana alemaina, nanokana 28 % amin’ny harinkarena faobe ho fiantohana ny findramam-bola any amin’ny banky ; Frantsa, 12 % ; Etazo­nia, 2000 miliara dolara ho an’ny drafitra fanarenana rehetra. Aiza ho aiza i Afrika sy Madagasikara ?

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.