Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mialoha ny fiverenan’ny fampianarana: tokony horarahana fanafody ny sekoly rehetra

Ao anatin’izao fihibohana any an-trano ka nampiatoana ny fampianarana izao, manohana ny  fanjakana ny Unicef ary manomana ny rafi-pampianarana hiverina handray ireo mpia­natra.

Nanampy ny minisiteran’ny Fanabeazana izy tamin’ny fametrahana paikady ho an’ny fampianarana isorohana ny Covid -19. Nanetsika vola sy ny olona nilaina ho fanatan­terahana izany koa. Nametraka ny fitaovana ahafahan’ny mpianatra nanasa tanana sy nitandro ny fahadiovana ny Unicef ary nampiofana ny mpanabe hizara ny fihetsika mahomby nitandroana ny fahasalaman’ny ankizy tany an-dakilasy. Nanonta afisy 2 500 napetraka teny amin’ny sekoly maro ho fampafanhatarana ny tsimokaretina sy ny fiarovana tokony hatao. Mialoha ny handraisana ny mpianatra, handrarahana fanafody ny efitrano fianarana rehetra sy ny faritry ny sekoly ka hanome ny fanafody ilaina amin’izany ny Unicef. Amin’izao fotoana izao rahateo, eny amin’ny EPP no hizarana ny kojakoja ilaina ho an’ny vahoaka isam-pokontany. Mila homanina ihany koa ny fitantanana ny tranga raha voatily fa misy voan’ny Covid-19 ny mpianatra rehefa miverina ny fampianarana. Tokony hisy fepetra iraisan’ny rehetra hitantana ny tranga any an-dakilasy.

Efa namolavola fanentanana ho an’ny ankizy koa ny Unicef sy ny Croix rouge ary ny Croissant rouge momba ny fihetsika hiarovany ny tenany tsy ho tratran’ny Covid-19.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.