Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Eoropa sy ny «coronavirus»: nahena ny karaman’ireo mpilalao rehetra

Miaina ao anatin’ny olana goavana ihany koa amin’izao fotoana izao, ireo mpilalao baolina kitra kalaza, maneran-tany. Noho ny tsy fisian’ny fifaninanana, voatery nahena ny karaman’izy ireo.

Mandalo fotoan-tsarotra ny tontolon’ny fanatanjahantena eran’izao tontolo izao, noho ny fisian’ilay valanaretina “coronavirus”. Anisan’ny taranja voakasik’izany, ny baolina kitra any Eoropa. Fantatra mantsy izao fa voatery nampihena ny karaman’ireo mpilalao ao aminy, ireo klioba vaventy, miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ao amin’ny fireneny avy. Raha ho an’ny Juventus de Turin, ao Italia manokana, nahita marimaritra iraisana ireo mpilalao sy ny klioba ary ny mpanazatra, ny amin’izay fampihenana ny karaman’izy ireo izay ka haharitra hatramin’ny volana jona izany. Noho ny fiatoan’ny fifaninanam-pirenena Italianina sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, ny anton’izany.

Mba tsy hahafaty antoka ny klioba, nanaiky izany ireo mpilalao sy ny mpanazatra. Mila manangona vola hatrany amin’ny 90 tapitrisa Euros, mantsy ny Juventus de Turin, ao anatin’izao fotoana, tsy hisian’ny fifaninanana, izao. Marihina fa efa nandray fanapahan-kevitra toa izao ihany koa ireo mpilalao ao amin’ny Bayern de Munich, any Alemaina, mba hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina “coronavirus”, ity.

Ankoatra izay, nosazian’ity ekipan’i Munich ity ihany koa i Jerome Boateng, satria tsy nanaja ny fihibohana an-trano fa nangalatra nivoaka, nefa tsy nahazo alalana, tamin’ny tompon’andraikitra. Fandoavana lamandy, izay tsy nambara tamin’iza na iza, no sazin’ity vodilaharan’ny Mannschaft, ekipam-pirenena Alemà ity.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.