Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny covid-19: hanampy ireo marefo koa ny FLM

Fiatrehana ny covid-19: hanampy ireo marefo koa ny FLM

Tsy nitazam-potsiny fa nametraka paikady. Nambaran’ny filohan’ny FLM, ny Rev. Rakotonirina David, omaly fa mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny coronavirus izy ireo. « Hatao laharam-pahamehana ireo marefo. Nisy nyfiaraha-miasa amin’ny any ivelany amin’izao hetsika atao izao », hoy izy, tetsy Ambatonakanga, omaly. Anisan’ny hahazo tohana amin’izany ireo marefo any amin’ireo toby masina miisa 109 manerana ny Nosy, sy ny eny anivon’ny dispansera. Hisahana ny fikarakarana sy ny fandaminana izany ny eo anivon’ny Salfa. Ahitana fiara 4×4 miisa 10 izany, hitaterana ireo fitaovana any amin’ny faritra. Eo koa ny sarom-bava ho an’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitsaboana sy mikarakara ny marary. Manampy ireo ny savony homena ireo marefo, miaraka amin’ny fanafody fanampiny, mitondra hery ho azy ireny.

Momba ny fotoam-pivavahana kosa indray, indrindra fa amin’izao hahaton­gavan’ny fetin’ny sampan-drofia sy ny paka izao, nambarany fa miankina amin’ny hambaran’ny fanjakana ny han­kalazana izany. « Tsy vaovao amintsika araka ny tetiandrontsika ny fanemorana izany ary azo hatao. Tsy mahasakana antsika tsy hihaona amin’Andriamanitra any an-trano koa anefa izany », hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.