Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Coronavirus: lasa mpivarotra ny ankamaroan’ny Malagasy

Manova ny fiainan’ny Malagasy, isanandro isanandro ny fisian’ilay valanaretina “coronavirus”. Lasa mpivarotra avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo fianakaviana ankehitriny. Anton’izany, ny tsy fisian’ny asa ataon’ireo tokony hanao izany. Ny ankohonana anefa tsy maintsy mihinan-kanina. Vokany, lasa manao varotra kely tsy manara-dalana, izy ireo. Amidy avokoa izay rehetra azo amidy.

Misy amin’ireo fianakaviana sasany, mivarotra ireo anana namboleny teo an-jaridainy izay tsy noeritreretiny, ho izany mihintsy tany am-boalohany. Eo koa ireo voatery mamarotra ny biby fiompy, na dia tsy izay aza ny tetikasa tany am-boalohany. “Tsy maintsy mivarotra izay azo avadika vola izahay, fa mila vola hividianana sakafo. Rehefa afaka ity “coronavirus” ity vao hiverina amboly ho an’ny tena. Toy izany koa ny biby fiompy, izay tsy foinay nefa voaterin’ny hamafin’ny fiainana, noho ity areti-mandoza ity”, hoy i Liva, raim-pianakaviana. Ho an’ireo olona hafa kosa indray ireo korotan’entana, toy ireo fatim-by na taratasy tsy ilaina no amidiny. Manaporofo izao fiovan’ny fiainan-dRamalagasy izao, ny fahitana ireo mpivarotra mihabetsaka manerana ny araben’Antananarivo, raha tsy hilaza afa-tsy izay hita etsy Ambohijatovo manomboka eo amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ka hatreny Soarano. “Manantena izahay fa hifarana amin’ny asabotsy ity fihiboana an-trano ity, ka hiverenana hiasa amin’izay”, hoy ny fanirian’i Jaona, mpiasa amin’ny mpivarotra iray eo Analakely.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.