Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manome fe-potoana 48 ora: mangataka fanampiana ny mpitatitra kamiao Toamasina

Manome fe-potoana 48 ora: mangataka fanampiana ny mpitatitra kamiao Toamasina

Tsy misy entana taterina intsony ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina satria tsy misy sambo tonga mitondra entana avy any ivelany, vokatry ny fikatsoan’ny famokarana any ivelany, noho ny Covid-19 . Faharoa, sorena ireo mpitatitra kamiao satria, araka ny nambaran’ny mpitondra teniny, Rakoto Joel, “in-18 voasakan’ny mpitandro fila­minana izahay, manomboka eto Toamasina hatreo Brickaville fotsiny. Ilàna vaniny koa satria hakana vola ary rahonana sintonina ny taratasin’ny fiara raha tsy manome. Raha tsorina, marefo tsy manana asa izahay amin’izao fotoana tsy maintsy ijanonana any an-trano izao, koa mba mangataka fanampiana amin’ny filoham-pirenena, toy ireo nomeny any Antananarivo sy ny mpitarika posy eto Toamasina”.

Nambaran’ity mpitondra teny ity koa fa manome 48 ora ny fanjakana izy ireo, ary ho hita eo ny tohiny sy ny hetsika raha tsy mivaly ny fangatahana.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.