Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampary Soavinandriana: karaoty 2000 gony tsy misy mividy !

Ampary Soavinandriana: karaoty 2000 gony tsy misy mividy !

Na efa amidy ariary zato aza ny kilaon’ny karaoty, mbola marobe ny vokatra tsy lafo ! Mitaraina tanteraka ny tantsaha any Ampary Soavinandriana noho io tranga io. Nomarihin-dry zareo fa mahatratra 2000 gony ankehitriny ny karaoty tsy misy mividy any an-toerana. Isan’andro, tantsaha iray, tsy maintsy manary karaoty 7 gony, noho ny fahasimbana  mianjady aminy.

Raha ny fanazavan’ireo tantsaha ao Ampary « tsy tonga any Anosibe ireo entana satria raha misy « camion » iray miakatra hitatitra ho any Antananarivo,  tsy tafaverina intsony fa voasakana satria tsy afaka mandeha, rehefa tsy mitondra entana ».

Nomarihin’ireto tantsaha ireto anefa fa « nandaniana vola be tokoa ireo karaoty ireo vao vokatra tahaka izao. Izany hoe, zary mibaby fatiantoka be ny mpamboly aty Ampary ».

Fantatra fa 2000 Ar anefa ny kilaon’ny karaoty raha eto Antananarivo.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.