Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Namoy ny ainy ny asabotsy teo ilay raim-pianakaviana isan’ireo nihinana zanaka antsantsa tao Anjiakely ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa efa-mianaka izy ireo no nihinana ilay antsantsa ka narary avy hatrany ny tovolahikely iray taorian’izay. Tsy ela akory dia narary avokoa ireo hafa ka naiditra hopitaly. Ny ampitson’izay no namoy ny ainy ny ankizilahy iray 13 taona. Ireo ankizy roa hafa mbola manohy fitsaboana ankehitriny.

 Namoy ny ainy omaly ihany koa ilay lehilahy mpamily ny fiara Sprinter iray nifandona mafy tamina fiara 4X4 teny Tsarasaotra Imamba. Ireo niharam-boina hafa kosa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana. Tsiahivina fa avy nandona « borne » ilay fiara tsy mataho-dalana io no nifatratra tamin’ilay Sprinter nitondra mpiasa miisa efatra.

Les commentaires sont fermées.